Skip to content
Mihari Network
  • A propos
  • LMMA
    • LMMA à Madagascar
    • Données LMMA
    • Portail LMMA
  • Articles
  • Base de données
  • Rejoignez-nous
    • Offres d’emplois
    • Membres MIHARI
    • Commissions techniques
    • Amis de MIHARI
  • Français
    • Anglais
Menu Fermer
  • A propos
  • LMMA
    • LMMA à Madagascar
    • Données LMMA
    • Portail LMMA
  • Articles
  • Base de données
  • Rejoignez-nous
    • Offres d’emplois
    • Membres MIHARI
    • Commissions techniques
    • Amis de MIHARI
  • Français
    • Anglais

Fanambarana – Arovy ireo mpitantana harena andranomasina avy eny ifotony !

décembre 9, 2021

Arovy ireo mpitantana harena andranomasina avy eny ifotony !

 

Fanambarana

Antananarivo, 9 Desambra 2021

Izahay, mpikambana ato amin’ny tambazotra MIHARI, tambazotra nasionaly ny vondron’olona mpitantana eny ifotony ny harena andranomasina sy morontsiraka na LMMA (Lamina enti-mitantana ny Morontsiraka sy ny andranomasina), dia manao fanairana mba hanamafisana ny fiarovana ny zo sy ny ain’ireo mpisehatra ary ireo mahery fo amin’ny fiarovana ny harena andranomasina sy morontsiraka avy eny ifotony eto Madagasikara.

Fampahatsiahivana ny zava-misy : Niharan’ny herisetra noho ny fiarovana ala honko

Nanatanteraka voly honko faobe ny solontenan’ny fokonolona tao Mahalogny, Commune Rurale Ankatafa, District Ambanja, Faritra Diana, ny 29 Novambra 2021. Noho ny tsy fahampian’ny zanaka honko novolena dia niverina nanangona zanaka honko ny solontenam-pokonolona vatan-dehilahy miisa sivy (09) ny 30 Novambra maraina. Rehefa voahangona ny zanaka honko dia niala sasatra teo amin’ny toerana iray malalaka izy ireo ary nahita fatana fanamboarana arina na “charbon” honko mbola mirehitra. Tampoka teo dia tonga nanantona ny solontenam-pokonolona ireo tompon’ny fatana, miisa dimy (05) lahy, ka avy hatrany dia nanao teny mahery sy nandratra tsy misy indra-fo ireto farany tamin’ny antsy lava (saboa) sy zava-maranitra.

Vokany :

-mpanaramaso honko iray, i KOTO Nindrina Nomenjanahary Edmond, antsoina hoe “Edmond” naratra mafy nahiditra hopitaly. Ahiana mafy ny ain’i KOTO Nindrina Nomenjanahary Edmond hatreto. Nodidiana noho ny ratra nahazo teo amin’ny lamosiny sy ny tarehiny izy.

-Misy namany iray hafa kosa naratra eo amin’ny tongony noho ny toraka nahazo azy ary

Afaka nitsoaka ny naman’izy ireo fito (07) hafa.

 

Efa misy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny ny manam-pehafana isan’ambaratongany any an-toerana nijery ifotony ny zava-nitranga sy nifampidinika tamin’ny tompon’andraikitra ary ny  fokonolona an-tanàna tao Mahalogny. Isaoranay etoana ny fifanomezan-tanana sy ny fifarimbonan’ny mpiantsehitra maro noho izao loza mitranga izao.

 

Ampitomboy ny fanamafisana ny fiarovana ny ain’ireo mpiaro ny ala honko sy ny harena andranomasina avy eny ifotony

Mampanahy anay ity toe-draharaha ity, izay tsy vao voalohany, taorian'ny raharaha Attoumany Alily sy ireo hafa. Raha tsiahivina, dia namoy ny ainy I tompokolahy Attoumany, tamin’ny jolay 2016, tany Antsahampano, Commune Rurale Ambanja, District Antsiranana II, Région Diana, noho ny vono sy ratra nahazo azy teo am-panatanterahana ny asa fiarovana ala honko nataony.

Manaitra ny tompon’andraikitra izahay mba tsy hisy intsony ny tranga toy izao. Melohinay tanteraka ny tsy mataho-tody mampihatra herisetra manoloana ny asa masina ataon’ny mpiaro sy mpitantana ny harena voajanahary eny ifotony.

Ny LMMA na Lamina enti-mitantana ny Morontsiraka sy ny andranomasina dia hery iray manampy ny fampitomboana ny faritra misy fitantanana maharitra eto Madagasikara. Mandray anjara mivantana amin’ny fitantana lovainjafy ny harena voajanahary ny vondron’olona ifitony mpikambana anaty tambazotra MIHARI.

-Manamafy ny fanairana izahay ary mangataka ny hijerena sy hanarahan'ireo tompon'andraikitra isa-tsokajiny ity raharaha ity ka hanamelohana sy hampiharana ny sazy sahaza amin'ireo nahavanon-doza, araka ny lalàna velona eto Madagasikara.

-Manao antso avo amin'ny manam-pahefana isan-tokony eo anivon'ny fanjakana izahay mba hiarovana ny ain’ny vondron’olona izay manao izay ho afany ho fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Ny fisian’ny fandriam-pahalemana dia antoka iray hampandrosoana ny eny ifotony sy ny firenena iray manontolo.

-Mangataka ny fanohanana avy amin’ireo hery velona rehetra misy izahay mba hampiroboroboana ny fitantanana ny harena voajanahary avy eny ifotony. Adidy aman'andraikitry ny tsirairay izany.

 

Ny tambazotra MIHARI


Téléchargez le communiqué en version PDF (en malagasy)

 

 

autres articles

novembre 4, 2024

Antrema : Quand les femmes deviennent les moteurs de l’écotourisme et du développement durable

mars 16, 2022

Le réseau MIHARI présente officiellement sa nouvelle stratégie 2022-2026 et incite l’implication de tous les acteurs concernés 

mars 8, 2022

Fisherwomen Leadership Program, des femmes engagées pour un meilleur avenir de leur communauté

décembre 21, 2021

COMMUNIQUE – Attribution des quotas d’exportation de crabes de mangrove

octobre 25, 2021

Les points forts du Congrès Régional Nord du réseau MIHARI

juillet 27, 2021

Développer les compétences des communautés LMMA pour une forte implication des femmes dans la gestion durable des ressources marines et côtières

Sans titre (5 × 8.5 cm) (3511 × 712 px) (3511 × 912 px) (2)

© 2025 – MIHARI
Politique de confidentialité

Suivez-nous

Facebook-f Twitter Youtube Linkedin
Menu
  • Rejoignez-nous
  • FAQ
  • Contact
Gérer le consentement aux cookies
Nous utilisons des cookies pour améliorer votre expérience de navigation, proposer du contenu et analyser notre trafic.
Fonctionnel Toujours activé
Le stockage ou l’accès technique est strictement nécessaire dans la finalité d’intérêt légitime de permettre l’utilisation d’un service spécifique explicitement demandé par l’abonné ou l’utilisateur, ou dans le seul but d’effectuer la transmission d’une communication sur un réseau de communications électroniques.
Preferences
The technical storage or access is necessary for the legitimate purpose of storing preferences that are not requested by the subscriber or user.
Statistiques
Le stockage ou l’accès technique qui est utilisé exclusivement à des fins statistiques. The technical storage or access that is used exclusively for anonymous statistical purposes. Without a subpoena, voluntary compliance on the part of your Internet Service Provider, or additional records from a third party, information stored or retrieved for this purpose alone cannot usually be used to identify you.
Marketing
Le stockage ou l’accès technique est nécessaire pour créer des profils d’utilisateurs afin d’envoyer des publicités, ou pour suivre l’utilisateur sur un site web ou sur plusieurs sites web ayant des finalités marketing similaires.
Gérer les options Gérer les services Gérer {vendor_count} fournisseurs En savoir plus sur ces finalités
Voir les préférences
{title} {title} {title}