You are currently viewing Fomba fametrahana fitarainana sy fanaovana tatitra

Fomba fametrahana fitarainana sy fanaovana tatitra

Miaraka amin’ny fanohanan’ny CEPF, ny Tambajotra MIHARI dia mizara aminareo ny fomba fametrahana fitarainana sy fanaovana tatitra, mba hahafahan’ny tsirairay maneho ny heviny sy mampandre izay olana sedrainy.

Raha manana fitarainana, olana na fanontaniana ianao mikasika ny fanimbana ny tontolo iainana an-dranomasina sy amorontsiraka, fihetsika tsy mendrika na tsy manaja ny kolontsaina eny ifotony ataon’ny mpiasan’ny tetikasa na ireo mpahazo tombontsoa, herisetra ara-batana, ara-tsaina na ara-nofo, tsy fanarahana ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina sy ny fitantanana, fandikana ny dina, na fanitsakitsahana ny zon’ireo olona marefo, dia manana zo hametraka fitarainana na hanao tatitra ianao. Azonao atao ny mametraka izany amin’ny alalan’ny resaka mivantana amin’ny solontenan’ny Tambajotra MIHARI akaiky anao eny ifotony, any amin’ny birao isam-paritra, any amin’ny birao nasionaly, na mivantana any amin’ny Sekretaria Mpanatanteraka.

Mba hanamorana izany dia misy dingana dimy arahina, izay natao hiantohana fa voaray, dinihina ary voavaly ara-potoana sy amim-pahitsiana ny fitarainana na tatitra rehetra. Manentana anao izahay hampiasa ity fomba fiasa ity isaky ny ilaina. Zava-dehibe aminay ny feonao sy ny fandraisanao anjara, satria manampy amin’ny fanatsarana hatrany ny fitantanana sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina ary ny fampandrosoana ny fiarahamonina eny ifotony izany.

Tsindrio eto raha te ahalala ireo dingana 5 ireo.